<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny taberna-kelinao TS1</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny taberna-kelinao?
 Iza no honina an-tendrombohitrao masina?
 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao 'zay mahitsy
 Sady misaintsaina ny marina ny fony

[V2]
 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
 Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
 Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
 Tsy manaja ny ratsy fanahy.

[V3]
 Fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah,
 Tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza.
 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hana-meloka ny marina,
 Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

[V4]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandrakizay. Amen.</lyrics>
<hymn_number>1</hymn_number>
</song>